Acts 19

1Ary raha mbola tany Korinty i Apolosy, dia nandalo tamin’ny firenena ambony i Paoly ary tonga tao amin’ny tanànan’ny Efesosy, ary nahita mpianatra sasany tao. 2Hoy Paoly tamin’izy ireo hoe: “Nahazo ny Fanahy Masina ve ianareo rehefa nino?” Hoy izy ireo taminy hoe: “Tsia, mbola tsy nandre momba ny Fanahy Masina akory izahay.”

3Paoly niteny hoe: “Tao amin’ny inona ary izany no nanaovana batisa anareo?” Namaly izy ireo hoe: “Tao amin’ny batisan’i Jaona.” 4Ka namaly Paoly hoe: “Jaona manao batisa amin’ny batisan’ny fibebahana. Niteny tamin’ny vahoaka izy fa tokony hino ilay iray izay ho tonga aoriany izy ireo, izany dia, ao amin’i Jesosy.”

5Rehefa naheno izany ny olona, dia natao batisa tamin’ny anaran’ny Tompo Jesosy izy ireo. 6Avy eo rehefa nametraka ny tanany tamin’izy ireo i Paoly, dia nilatsaka tamin’izy ireo ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny fiteny hafa sy naminany izy ireo. 7Teo amin’ny roa ambin’ny folo teo ho eo izy rehetra.

8Niditra tao amin’ny sinagoga i Paoly ary niteny am-pahasahiana nandritry ny telo volana, nandresy lahatra sy nampanaiky azy ireo ny momba ny fanjakan’Andriamanitra. 9Fa rehefa mafy fo sy tsy nankàto ireo Jiosy sasany, dia nanomboka niteny ratsy ny Lalana teo anoloan’ny vahoaka izy ireo. Ka nilaozan’i Paoly izy ireo ary nentiny ireo mpianatra, nandresy lahatra azy ireo isan’andro tao amin’ny efitrano fampianaran’ny Tiraniana. 10Nitohy nandritry ny roa taona izany, ka izay rehetra nipetraka tao Asia dia nandre ny tenin’ny Tompo, ary ireo Jiosy sy ireo Grika.

11Andriamanitra nanao asa mahagaga tamin’ny alalan’ny tanan’i Paoly, 12ka na dia ireo mosoara sy aron’akanjo izay nikasika azy aza dia natao tamin’ny marary ka sitrana ny aretin’izy ireo ary nivoaka avy tao amin’izy ireo ireo fanahy ratsy.

13Fa nisy Jiosy mpanala fanahy ratsy nandeha teny an-toerana. Niantso ny anaran’ny Tompo Jesosy izy ireo mba hananan’izy ireo hery hanoherana ny fanahy ratsy rehefa niteny izy ireo hoe: ‘‘Amin’ny alalan’i Jesosy izay nambaran’i Paoly, mandidy anao aho mba hivoaka.‘’ 14Ny mpisoronabe Jiosy mitondra ny anarany hoe Skeva ary nanan-janaka fito lahy no nanao izany.

15Nisy fanahy ratsy namaly azy ireo hoe: “Fantatro Jesosy, ary fantatro Paoly; fa iza ianareo?‘’ 16Ny fanahy ratsy tao amin’ilay lehilahy dia niantsampy tamin’ireo mpanala devoly ary nitsoaka tao amin’ilay trano nitanjaka sy naratra. 17Lasa fantatry ny rehetra izany, sy ireo Jiosy sy ireo Jentilisa, izay nipetraka tany Efesosy. Lasa natahotra mafy izy ireo, ka ny anaran’ny Tompo Jesosy dia nomem-boninahitra.

18Ary koa, maro tamin’ireo mpino no nanatona sy nibebaka ary niaiky ireo zavatra ratsy izay vitan’izy ireo. 19Maro ireo nilalao ody no niara-nitondra ny bokin’izy ireo sy nandoro izany teo imason’ny tsirairay. Rehefa nanisa ny tombam-bidin’ireny izy ireo, dia farantsa volafotsy dimy alina izany. 20Ka niely fatratra tamin’ny fomba matanjaka ny tenin’ny Tompo.

21Ary rehefa nahavita ny asa fanompoany tany Efesiosy i Paoly, dia nanapa-kevitra tamin’ny fanahy izy mba handalo an’i Makedonia sy Akaia teny an-dalany mankany Jerosalema, hoy izy: “Rehefa avy any aho, dia tsy maintsy mankany Roma ihany koa.” 22Paoly nandefa roa tamin’ireo mpanampy azy ho any Makedonia, i Timoty sy Erasto, izay nanampy azy. Fa izy tenany nijanona fotoana fohy tany Asia.

23Tamin’izany fotoana izany tany Efesosy dia nisy fanelingelenana lehibe mikasika ny Làlana. 24Fa nisy mpanefy volafotsy iray antsoina hoe Demetrio, izay nanao ny sary sikotra volafotsin’i Diana, nampiditra vola be ho an’ireo mpanao asa-tànana. 25Ka nangoniny niaraka ireo lehilahy miandraikitra an’io asa io ary niteny hoe: “Tompoko, fantatrao fa amin’ity raharaha ity dia mahazo vola be izahay.

26Hitanao sy renao izany, tsy tany Efesisosy ihany, fa saika manerana an’i Asia iray manontolo, io Paoly io dia nandresy lahatra sy nahataona olona maro. Milaza izy fa tsy misy andriamanitra vita tamin’ny tànana. 27Fa ny loza dia tsy hoe ny varotsika ihany no tsy ho ilaina intsony, fa ny tempolin’ny andriamanim-bavy lehibe Diana ihany koa dia azo heverina ho tsy misy dikany. Dia mety ho very voninahitra izy avy eo, izy izay tompoin’ny Asia rehetra sy izao tontolo izao.”

28Rehefa nandre izany izy ireo, dia feno hatezerana izy ireo ka nihiaka mafy, nanao hoe: “Lehibe i Diana an’i Efesiosy.” 29Feno fifanjevona tao amin’ny tanàna iray manontolo, ary niara-nifanaretsaka ho ao amin’ny trano fanaovana fampisehoana an-tsehatra ny vahoaka. Voasambotr’izy ireo ireo mpiara-dia tamin’i Paoly, Gaio sy Aristarko, izay avy any Makedonia.

30Te hiditra tao amin’ireo vahoaka maro i Paoly, fa nosakanan’ireo mpianatra izy. 31Ary ihany koa, ny sasany tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ny faritr’i Asia izay namany dia nandefa hafatra nangataka azy mafy tsy hiditra ao amin’ny trano fanaovana fampisehoana an-tsehatra. 32Olona sasan-tsasany no nihiaka zavatra iray, ary ny an’ny sasany hafa, satria tao anaty fifanjevoana ny vahoaka. Ny ankamaroan’izy ireo aza tsy mahafantatra akory hoe nahoana izy ireo no niara-tonga.

33Ny sasany tamin’ireo vahoaka no nampahafantatra an’i Aleksandra, izay natosik’ireo vahoaka ho eny aloha, ka nanao fihetsika tamin’ny tanany i Aleksandra, te hanome fanazavana ho an’ireo izay nivory. 34Fa rehefa nahafantatra izy ireo fa Jiosy izy, dia nihiaka mafy tamin’ny feo iray izy rehetra teo ho eo amin’ny ora roa, nanao hoe: “Lehibe ny Artemisin’ny Efesiana.”

35Rehefa nampangiana ny vahoaka ny lehiben’ny tanàna, dia niteny izy hoe: “Ianao olon’ny Efesiosy, olona iza no teo ka tsy nahafantatra fa ny tanànan’ny Efesiana dia mpiambina ny tempolin’ny Diana lehibe sy ny sary izay nilatsaka avy any an-danitra? 36Ary hita avy eo fa tsy azo lavina ireo zavatra ireo, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona tsy am-piheverana. 37Fa nentinareo ety amin’ny fitsarana ireo lehilahy ireo izay sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpiteny ratsy ny andriamanim-bavintsika.

38Noho izany, raha manana fiampangana manohitra ny tsirairay i Demetrio sy ireo mpanao asa tanana izay miaraka aminy, dia misokatra ireo fitsarana ary misy solontena ao. Avelao izy ireo hifampiampanga. 39Fa raha mitady zavatra momba ny olana hafa ianareo, dia tokony ho hatsangana amin’ny fivoariana ara-dalàna izany. 40Fa indrindra isika dia tandindomin-doza ho voampanga mikasika an’io andron’ny tabataba io. Tsy misy antony izany fikorontanana izany, ary tsy ho afaka hanazava izany isika.” Rehefa niteny izany izy, dia noravainy ny fivoriana.

41

Copyright information for PltULB